Ny ambony sy ambany

Ny ambony sy ambany

 

Fanahy mitovy,
n'oviana, tsarovy
raha misy manontany
ny ambony sy ambany.

Atsimo sy avaratra
no tonga dia taratra
any amin'ny saina
sy ny fomba fiaina.

Andro sy alina,
tena mba lalina,
tsy iray torimaso
na koa ranomaso.

Ny ambinina tsara
sy ny tsisy fiafara,
tsy iray donak'afo
na koa safosafo.

Ny ravo tafita
sy 'zay tsy mahita
'rony ezaka tiana
hanome fitahiana.

Fredy JAOFERA

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire