Créer un site internet

Nofy ihany

Nofy ihany

 

Toa tsapako ho nofy ihany

izao tontolo rehetra izao ;

ho mamiko inona ny tany

raha tsy teo tokoa ianao ?

Ny endriky ny zavaboahary

samy zava-poana ihany ;

ho mamiko toy inona àry

raha ianao no miafina any ?

Ny taratra masoandro tiako

aminao no fahazavany ;

ny tara-bolana ifaliako

ny fenomanany no any !

ka ny alim-pahavaratra

mampitebiteby fo ;

raha ianao no eo mitaratra

misinda ho azy ny manjo.

ny efitry ny tany maina

tonga saham-boninkazo ;

mampitony ireo taraina

izay inoako tsy halazo.

Ho paradisako ny tany

hazavain'ny tsikinao ;

ary averiko eto ihany

tiako loatra raha ianao.

Notiaviko voalohany

fitonian'ny fisainako ;

ka aminao no iantombohany

sy iafaran'ny fiainako.

Ka tsaroako ho nofy ihany

izao tontolo rehetra izao ;

ho mamiko inona ny tany

raha tsy teo tokoa ianao ?

Ny alina

 

ANDRIAMANALINA Solofonantenaina Fidinirina

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire