Misaona ny ao anatiko ...

MISAONA NY AO ANATIKO...

 

Lasa ianao sakaiza tsy hita novangiana
Mangasihasy foana ny ao anatiko ao
Ny tafatafantsika mbola reko injao
Mameno alahelo ny efitro mangina

Matevina ny alina misaona moa ny tany
Izaho tsy pizi-tory ianao ts'hifoha intsony.
Kanefa dia inoako fa mbola hisy hatrany
Ako hipody indray ho tsiaro hampitony

Ny hirahirantsika mbola hifamaly ihany
Handresy ny fotoana fa androany kosa
Mitohoka alahelo ny saona miavosa

Vavak'olon-dresy no hany mba misandratra
Mitambolimbolina avy any anatiko any
"Iny izy Tompo, raiso ho Olon-tsambatra !"

F-X MAHAH Parisy 09/03/05

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire