Minitra sarobidy

Minitra sarobidy

 

Anaka,

 

Minitra an'alikisa no hiainanao etoana
F'ireto no minitra, mba iriko tsy ho foana.

Ilay minitra voalohany raha hitsaika ianao
No nahariana anao ho isan'izao hita izao.

Fa tsy haiko hotantaraina raha injay fa reko
Ny minitra hilazana, ny fonao izay hitepo.

Minitra sarobidy ireny !

 

Minitra maro tafatambatra no hanjary andro,
Io no hitsenana anao ka hahita masoandro

Hifandimby ny minitra, ka ianao hihalehibe
Hanomboka hitsiky, hibada, ary koa handeha

Minitra sarobidy ireny !

 

Ao koa ireo minitra tsy tiana ho tsaroana,
Rehefa tsy ho salama fa manaintaina foana.

Minitra mafy angamba tsy ho vita an-taratasy
Ilay hisarahantsika hamonjenao lakilasy

Minitra sarobidy ireny !

 

Dia minitra mamy koa hafaliana sesilany
Ho vita ny fianarana, afa-panadinana ihany

Rehefa tonga ilay minitra, hanekenao fitia
Iriko ho tsara indrindra, tsy toy ny ahy tety

Minitra sarobidy ireny !

 

Mety ho fantatrao koa ny minitra toy izao,
Hametsovetso silak'aina tsy mbola terakao.

Koa raha zary nofy aza ireo minitra ireo
Dia tena sarobidy, satry tsy hifarana eo,

Fa minitran'i Neny !
Minitra sarobidy ireny.

 

Andamioly, 24 jolay 2007

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire

 
×