Mankasitraka

Mankasitraka

Mankasitraka eram-po,eran-tsaina amam-panahy
anareo nombom-po,niombon-tsaina hanavotra ahy
Fa 'lay foko izay narofy sady vizana no reraka
indro tonga soa aman-tsara sady sitrana tanteraka.

Na ny manana hatao sy hasoavana miavaka
na ireo izay nitondra tao am-pony tamim-bavaka
Dia fisaorana mitovy,na firindra na fingadony
no atolotra azy ireo nosoniavin'ilay Radony.

enga ho toetrantsika ka hitondra fiadanana
ny"Raha maratra izany vava,miainga hisafo eo ny tanana
3Raha maratra koa ny tanana,io ny mitsoka eo ny vava"
Na samy hafa toerana aza:mifanampy lalandava.

RADO

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire

 
×