Mahamay

Mahamay

Maontina ny jeriny
Maontina ny jeriko
anefany ao anatiny
sy ny ao anatiko:
maniry te hamantatra
zavatra efa fantatra
fa hodian-tsy hay

raisiny ny tanako
raisiko ny tànany
fahalalana fomba
tahaka ny isan'andro
fa ny fangoritsiny
mandoro hatrany am-po
afo mahamay

RADO

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire

 
×