Créer un site internet

I Dada ve ?

I Dada ve?

Ilay tadiaviko ny sandriny amin'ny andro maizim-bolana
Fa ny azy irery moa no tanjako sy reharehako
Ilay manao ny tsy hain'i NEny fa mitondra ny ala olana
Rehefa hitany aho fa vaka eny an-dalana alehako.

Nefa izy ihany koa no 'lay misangy ny mahery
Hanazatra ahy hitolona amin-java-manahirana
Izy ilay mampianatra ahy hahay mizaka irony fery
Tsy hikentron-tava akory fa hitsiky sy ho mirana

Izy ilay nitarika ahy hanidy trano miaraka aminy
Sao tafihim-pahavalo tsy mpoizina ny trano.
Izay kinendriny amin'io? Hay ny saiko no nomaniny
Hahay mitandro toetra soa tsy hidiran'ny angano.

Dia toetra tsy mitovy amin'ny sentom-pon'i Neny
Fa mahery vaika izay rha miteny sy mandrindra
Nefa koa ankehitriny, sahiko eto ny miteny
Fa Idada no sakaiza sady mahatoky indrindra.

Rado
15 Mey 1994

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire