Hataka

Hataka

Omeo anay, ry alina,
Ny fahanginanao, Fa be ny zava-dalina
Izay miafina ao.
Omeo anay, ry volana,
Ny fibaliakao;
Ny fo izay mifanolana
Mba samy hazavao.
Omeo anay, ry kintana,
Ny fandeferanao
Fa sompatra ny vintana
Ka tsy hita izay hatao.

Omeo anay, ry rahona,
Nv fiafenanao;
Mangidy toy ny vahona
Ny adidy mba hatao.

Omeo anay, ry tselatra,
Ny fitsoriakanao;
Ny fandrika mivelatra
Esory sy alao.

Omeo anay, ry fasana,
Ny fitsimbinanao
Mba tsy halaky lasana
Ireto aina vao.

Omeo anay, ry fiainana,
Ny mamy aminao;
Ny ora. itarainana
Tapero sy ravao.

Omeo, ry fitiavana,
Omeo ka mbà valio.
Ombay hasoavana
Ny hatako eto anio.

Ny Avana Ramanantoanina

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire