Créer un site internet

Hainao ve ?

Hainao ve ?…

 

Hainao ve ?
Nahazo fanomezana aho
Na dia tsy nitalaho.
Avy aiza, hoy ianao ?
Raha toa mba fantatrao,
Mba lazao !…

Ny Andriamanitry ny Kanto
Tia ny rindra sy ny lanto
Ny Andriamanitry ny Tsara
Ilay Andriamanitra fitiavana
Ilay tsy tia manavangavana
No namaritra ny anjara
Ka nanao am-pehezana
Ity fitia fanomezana.

Nomeny maso roa aho
Ho porofon'ny fisianao
Hankafy ny tsikinao
Handoko ny tsangananao
Hampiavaka ny bikanao
Ka hidera ny hatsaranao
Kanto, lafatra sy meva
Nampindraminy anao.

Nomeny ahy ny orona
Hamboloiko ny fofonao
Mamerovero sady manitra
Eran-tany, eran-danitra.
Izy mihitsy no namorona
Sy nandrafitra anao,
Asan-tanany ianao
Matoa meva toy izao.

Nomeny ahy koa ny vava
Hahafahako milaza
Teny soa, teny mamy,
Toa hirahira tsy ho lany
Nampindraminy ahy mazàna
Hahafalifaly anao
Hampitony ny fonao
Eny an-dalana ombana

Fa tsy izay fotsiny ihany :
Nampindraminy ahy koa ny fony
Mba hitia anao hatrany
Tsy hahatsiarovanao ho irery
Fa tsy foiny ianao ho very.
Tsy foiny ianao hamoy fo
Noho ny vesatra manjo
Dia … izay fotsiny ihany…

Sambatra aho fa nofidiany
Haneho fitiavana aminao
Sambatra aho fa novangiany
Mba hitafa aminao
Ka hilaza tsotra izao
Ny fitiavany anao
Tretrika aho ankehitriny
Nomeny fo tia anao.

Dia nomeny ahy koa ny saina
Notovonany fanahy
Ka n'inonino-mampanahy
Na inona no manahirana,
Iza moa no hitarainana ?…
Voatendry aho hanolo-tsaina
Tsy hahatonga anao ho kirana
Amin'ny hetraketra-piainana

Koa asa ianao raha tahaka ahy,
Ekeko izay tinendry ho ahy
Asa raha mitovy isika
Fa izaho tsy hanova dika
Izay hafatra voaraiko
Ho anao, sombinaiko…

 

Ny Hanitra

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire