Hafatra

HAFATRA

Ho any ianao,kanefa....
Aza ataonao fantany
'zao fahoriako izao.Fa aoka hiafina aminy
ny ketoky ny jaly
nanempaka ny aiko,tanatin'ny longoa
izay namandrihany ahy...
ny dinitry ny foko manorika ahy mangina,fa sempo-tsasak'alina
misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany !

...Raha manontany izy,
iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
ny saiko manontolo.
"Rako-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa
natoraky ny Adaoro"
Ireto diary ireto lazao fa efa may
sy tapitra efa kila...
....Fa ny volofotsiko,
ny ketrokentron' handriko*Afeno dia afeno !
Azonao izany ?

Etsy kely koa
hafarako ianao !
Jereo raha sambatra izy !Mba hamantaranao
dia ireto no fambara :
"Ao an' efitranony :misy voninkazo
tsy maintsy mavokely...
Eo an-doha-fandrianany :
ny sarin'olotiany...na iza n'iza izay "
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
ka aza asiana resaka momba ahy akory,
f'izany rahateo no niriko ho azy...

Izay no hafatrafatro
ka tazony tsara ...Ary dia veloma !
Saingy etsy ange !
'Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
mandra-pifandray ny tànanao sy ny azy...

Eny e ! Ampy izay.Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
io varavarako io
fa hitomany aho...

RADO 27 janoary 1966

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site