Créer un site internet

Fotsiny

FOTSINY

Tiako fotsiny ianao 
Tsy asiana hoe "nahoana"
na tovonana "satria " 
Fa tiako fotsiny amin'izao 
Tsy amerana fotoana 
Tiako fotsiny doria 

Ny" satria" sy ny "nahoana"
mety ho takatry ny saina ?
tetika ikendrena laka...
haingon-teny babagoana
rindram-bolam-bery maina
ravina tsy misy faka

Tsy ny teny izay tononina
no hahafeno ny fitia
efa feno rahateo
Tsy ny toky izay foronina
mora rava sy malia
fa ny fo tsy mananm-peo

RADO

 

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire

 
×