Ny eritreritra fahavatra
Mijononoka moramora ny orana avy ariva
Ny alina madiva
Hamonto an-torimaso ny lanitra sy ny tany,
Ka hitondra any ho any…
Any ho any, nefa aiza ? Aiza ho aiza, ry Fanahy
Toa reraka, manahy ?
Aiza ho aiza no hampita izao nofonifinao
Izay mameno, no injao Mihodinkodina ao am-po,
mihodinkondina ao an-tsaina
Toa rano nohafanaina.
Jean Joseph RABEARIVELO
Date de dernière mise à jour : Jeu 17 nov 2011
Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site