Efa atao ny famotorana..

Efa atao ny famotorana..


Rehefa misy zava-doza zay mitranga eto Imerina
ka mandalo fitsarana dia izao no averimberina:
Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana
Saingy mahandrasa kely f'efa hatao ny famotorana.
Io ny lapan'ny tanàna, kila rava fa nodorana
fa izao no teny re: efa atao ny famotorana
Maty koa Ratsimandrava, tapi_dalana nizorana, fa izao no teny re: efa ato ny famotorana.
Forehitra Andafiavaratra, ny tenanao nagorangorana,
fa mbola izao no teny re: efa atao ny famotorana!
Kila koa Anatirova, tomany isika torantorana,
fa mbola izao no teny re: efa tao ny famotorana.
Efa tao ny famotorana? taona firy lasa izay?
Tsy nisy valiny mba re, fa ny may dia tena may!
Ireo izay fototry ny afo, angamba tojo famotsorana;
Hany ka tsy nisy re ny vokatry ny famotorana!
Raha izany àry, no mitranga, mitandrema koa ianao ry Ambohitsorohitra,
Sao mandady any indray ny asan'ireo mpanani-bohitra!
Tsotra kosa izao ny teny izay omeko anao ry Imerina:
Aza dia mpiasabe, manaiky foana ampandeferina!

RADO

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire