Créer un site internet

Boloky

BOLOKY
Ianareo no Antenimiera handany ny hevitra harosoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Hisy omeko anareo an’izay anjara mofoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Dia hampandrosoinareo izay mba hevitry ny Antokoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Na ny lainga be ataoko na ny fitaka sy hosoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Afeno ihany, koa anefa izato loto sy tsikoko
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Ampiasaiko koa ‘nareo hanohana ny adim-pokoko
Dia namaly ireo Boloky:”Mahafaly izany tompoko!”
Izaho, anefa, mody miala f’ianareo no tena hatsofoko.
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Dia azoko ny tokiko
Fa mahay ireo Bolokiko
Ho famaranako an’izany
Izaho mbola nanontany
Ary izaho raha sendra maty ka halevina ny nofoko?
Dia namaly ireo Boloky:”tena mahafaly , tompoko!”
Aza mba matokitoky
Izay fanaikin’ny boloky

RADO

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire

 
×