Asakasakareo
Asakasakareo
Horakoraka anjaran'ny akanga,
Kalokalo fanaom-boromanga,
Fa asakasakareo tsy hitranga.
Dobodoboka fomban'amponga,
Tabataba ny maro kilonga, Fa asakasakareo tsy mba tonga.
Rodaroda fanaon-dranotrambo,
Setrasetra no fomban'ny lambo;
Fa ny hanina anao tsy mba tambo!
Jononoka ny erika an'ala,
Patrapatraka ilay patrakala,
Fenofeno ny lavi-malala.
Dinidinika sisa lazaina,
Hafatrafatra anao sombinaina:
Hontsahontsa fa mani-maraina.
Ny Avana Ramanantoanina
Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021
Ajouter un commentaire