Créer un site internet

Asakasakareo

Asakasakareo

Horakoraka anjaran'ny akanga,
Kalokalo fanaom-boromanga,
Fa asakasakareo tsy hitranga.

Dobodoboka fomban'amponga,
Tabataba ny maro kilonga, Fa asakasakareo tsy mba tonga.

Rodaroda fanaon-dranotrambo,
Setrasetra no fomban'ny lambo;
Fa ny hanina anao tsy mba tambo!

Jononoka ny erika an'ala,
Patrapatraka ilay patrakala,
Fenofeno ny lavi-malala.

Dinidinika sisa lazaina,
Hafatrafatra anao sombinaina:
Hontsahontsa fa mani-maraina.

Ny Avana Ramanantoanina

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire

 
×