Asa izany

Asa izany

Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny,
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga?
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany,
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga!

Ny tsikinao no itiavako fivelaram-bonikazo,
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany?
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra mivazo,
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany!

Tia ny voro-mihira aho fa nandre anao nikalo,
Sa ny vorona mikalo ivetsoako anao mandalo,
Nitondra hira tamin'ny fiainako nangina hira taona maro!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako:
Hatramin'ny niarahantsika dia mientana ny foko,
Ka mivetso ny fitiavako. O antony, fantaro!

DOX

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire

 
×