Créer un site internet

Any aoriana any

ANY AORIANA ANY

Hitraky taolam-bato ny havoana tomandavana
Hikentrona toa nofon’ny antitra ho faty
Fahagagana sisa raha mbola hisy mavana
Tsipalotry ny maso ny hay mimainan-draty

Takolaky ny maso tsy misy tandran’ala
Ho hany ho tsinjo any : maina tsisy menaka
Toa tavan-jazavavy nilaozana malala
Fa lasa koa ny maitso niankanjoan’ny lemaka

Vinanvina sisa tefen’ny eritreritra
Mandokoloko volo ny lasa feno renty
Ny zanaka ny hoavy hitraotra sy ho tezitra
Fa nodorantsika ny tampon’ny tanety.

Hitsangana izy ireny hanozona ny razany
Handevilevy antsika, ka saino sy tsahivo
Fa tany karakaina sy maty sisa tazany
Napetrakao ho lovan’ny "Taona rao arivo"

RADO, septambra, 1976

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire