Ampianaro

AMPIANARO


Ampianaro aho,ry Raiko
Mba hahay misaotra Anao
Rehefa misy fahoriana
Fa ny zavatra mba haiko
dia fisaorana fanao
rehefa misy fifaliana
Ka raha hoe mihandrohandro
sady jembi-pahoriana
toy izao anio izao
Aoka ho toy ny isanandro
amin'ny andro fifaliana
no isaorako Anao.


Ampianaro koa ho haiko
ny hahatsiaro, hitadidy
irony soa natolotrao
Fa ny velona ao an-tsaiko
dia ny zavatra mangidy
izay nihatra toy izao
Ka raha tonga mihandrohandro
Fa mba sendra ny mangidy
sy mafaitra mahalao
Aoka koa mba isanandro
no hahazoako mitadidy
ny tsara avy taminao.

RADO jolay 1993

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire