VAVAKA

VAVAKA !

Mivavaka aminao ry Ray, mandohalika miankohoka ; 
Mivavaka, eny  mitalaho re, ho an’ny Tanindrazanay.
Latsaka lalina loatra, ao anaty lavaka mampikohoka
Izay rehetra raisina, ilaina toa mandoro sy mahamay.

Maro loatra ny zava-misy, eny, tena mampitahotra ;
Vono olona sakan-dàlana, heno manerana ny Nosinay.
Vonjeo re, ampio, andefaso ny anjelinao tsy hiahotra,
Dia hiaina ampilaminana, izahay sy ireo taranakay.

Izay rehetra jerena, banjinina, toa tontolo tena resy ;
Misavoritaka isanandro, tena mampitaintaina anay.
Atao ahoana anefa moa, izao no asan’i Ikotofetsy,
Sy Imahaka, mibodo sy mamotika ny Tanindrazanay.

Raha henonao ry Ray, ny sentonay izay mipololoitra ;
Atao amin'ny anaran'i Tompo ilay mpisolo vava anay.
Izahay mino manantena, fa na inona na inona hipoitra,
Dia eo foana Ianao, hiahy anay sy ny Tanindrazanay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Mai 2016

Sokajy : FahantranafiainanaTanindrazanaTonto

Sokajy : FahantranafiainanaTanindrazanaTontolo iainanaVavaka

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×