VADY VE !

VADY VE !

Vady ve ! Ilay miara-dàlana aminao, 
Isan’andro isan’andro,
Na maraina na antoandro.
Vady ve ! Ilay olon-tokana, 
Iaraha-mirona sy iaraha-midola,
Ao anaty angolangola.

Vady ve ! Ilay voavetsovetsonao foana, 
Mandavan-taona,
Na voky na noana.
Vady ve ! Ilay fiantsoantsonao matetika, 
Maraina sy hariva,
Ary eo mandrakariva.

Vady ve ! Ilay tsy azonao hadinoina, 
Na faly na sorena,
Satria tena harena.
Vady ve ! Ilay hireharehanao, 
Hiampifina sy hiankinana,
Raha tsy te-ho sahirana

Vady ve ! Tadidio mandrakariva, 
Hampihantahantao satria tena anao,
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Vady ve ! Ilay taolan-tehezana, 
Tsy manan-tsiny, tokam-po toa ny siny,
Ka raha hadino, sao hananan-tsiny.

Vady ve ! Ilay mipetraka ravaky ny trano, 
Tsy ariana sao angano,
Ka mba tazantazano.
Vady ve ! ilay mandeha ravaky ny làlana, 
Na matetika na mahalana,
Ka omeo foana alàlana

Vady ve ! Tsy vodin-tsobika ka manan-tandrify, 
Fa tena izy mihitsy,
Ilay tena tandrify.
Vady ve ! Izy foana no eo, na taloha, 
Na ankehitriny, na ho mandrakizay,
Ka atodiho any foana ny loha, 
Fa sao hananan-tsiny, rahatrizay.

Vady ve ! Ilay natolotra ho anao, 
Avy amin’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra,
Mba hananao fiainana, hipoky ny soa, 
Hatraty an-tany ka hatrany an-danitra !

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
22 Août 2016

Sokajy : ahyfiainanaFianakavianaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×