TSY KISENDRASENDRA AKORY !

TSY KISENDRASENDRA AKORY !

Tsaroana miverina ao an-tsaina, ampolon-taona maro izay ;
Nifankahitan’olon-droa, tao amin’ny toeram-pitsaboana iray.
Ny iray narary narahi-maso, satria ny aretiny mbola tsy hay ;
Ny iray mpianatra mpitsabo, nanao fizaran’asa mba hahay.

Nandeha ho azy ny tsikitsiky, sy ny fifampiarahabana sesilany.
Tsy nisy nieritreritra, na kely aza, inona no mety hiafarany ?
Satria na ny iray na ny iray, tsy nisy nihevitra azy ho mpaminany ;
Ka hahalala ny mety hiseho, na eo no eo, na any amparany any.

Nihamatetika ny fifankahitana, na tsy nisy antony mazava aza.
Na koa nifampiantso, na nifanoratra, inona indray no malaza ?
Na nisangisangy, nivazivazy, ka moa ve tsy lasa toy ny zaza ;
Ka mitamberina ao an-tsaina androany, ary tiana ny mankalaza.

Nahafinaritra ny nitafa, ny nihomehy, sy ny niresadresaka.
Satry foana ny nifankahita, na tsy nisy aza ny maresaka.
Ka raha kely aza ny fotoana, nahita irika foana hiresaka.
Izany tokoa rehefa tia, na zavatra tsotra aza lasa resaka.

Nifankahita foana, nifampiarahaba, nifampitsiky, isanandro,
Tsy andry mihitsy ny maraina, niposahan’ny tanamasoandro.
Nifampanontany an’eritreritra, rahoviana re no tonga ny andro ?
Hiarahana eny foana, na maraina, na alina, na antoandro.

Aty aoriana vao tena tsapa, fa hay tsy kisendrasendra akory,
Ny fifanojoan’olon-droa, fa vintana sy lahatra tsy nampahory.
Ka izay rehetra natao, dia nahafinaritra, lavitra ny sorisory.
Tsy nisy zavatra ahiana, ka raha vao nidaboka dia resin-tory.

Liana angamba ianao, inona no niafarany ? Niafaran’ny tantara.
Be ny azo tantaraina, fa raha fehezina dia izao no azo ambara :
Nandeha ny fangatahana, ny soratra, niroso teo amin’ny alitara.
Tsy kisendrasendra akory, ny vady tena anjara, ary tsara fiafara.


RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Août 1999

Sokajy : ahyEritreritra mandaloFahatsiarovanafiainanaFianakavianaFitiavanatantara

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×