TSIAHY SY NY HO AVY

TSIAHY SY NY HO AVY

Mahatsiaro,  ireo  andro fahiny,
Fony  ny  mbola  maitso  volo ;
Nihazakazaka  tsy  nitsahatra,
Nikaroka  izay  mety  ho  soa.
Na  nisy  aza  ny  nanome tsiny,
Naka  mora,  anivon'ny tontolo,
Niezaka, tsy nahalala sasatra,
Mba ahazahoana izay mahasoa.

Nananosarotra  ny  dia  naleha ;
Niatrika  fahasahiranana  maro :
Ny fiolanana havia sy havanana,
Ny rano iampitana sy tetezana,
Ny vao  nodiavina sy  ny faleha,
Ny  asa  irery  sy  ny tagnamaro,
Ny fiafiana sy ny tsy fananana, 
Ny hazo tokana, izay nofehezina.

Ny  ahatsemboan'ny  tava  tokoa,
Araka  ny  teny  izay  voasoratra, 
No  làlana  ahazoana  ny  hanina, 
Mandra-piverina  amin'ny  tany. 
Ka  mila  miezaka,  mivaky  loha,
Misahirana  mitana  an-tsoratra ;
Fa tsy mandany andro misonanina,
Ahafahana ny mandroso hatrany.

Ankehitriny,  miha-fotsy ny volo ;
Mandroso,  miha-mahazo  taona.
Hazo amoron-tevana, efa  hadiva ;
Masoandro   ampara-vodilanitra.
Mamisavisa, eny, in-tsivy  im-polo,
Ny  hitranga,  mety  hoe  ahoana ?
Eo   am-pitaninandro,  ny   hariva,
Ny  maso  mitopy  any  an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana 
14 Jona 2019

Sokajy : Aingam-panahyembonaEritreritra mandaloFahatsiarovanafiainana

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×