TOKANTRANO ....

TOKANTRANO 

Ny tokantrano izay naorina, teo ambony alitara ;
Tsy hitoetra fotsiny eny, hijanona ho tantara.
Fa tena ho kojakojaina, amin’ny lafiny rehetra ;
Ka ho lamban’akoho, mba tena aina no fetra.

Ny tokantrano toy ny landy, hoy ireo mpikabary ;
Ka ao anatiny manatevina, mba tsy hisy ny mosary.
Ka hiezahana isanandro, ny hitombon’ny tanimbary. 
Ka na ny tany anefitra aza, ho lasa rakotra voasary.

Ny tokontrano soa, tsy manisa be tsy ho an’ny tena. 
Fa ny fikirizana hatrany, ny mba hananana harena ;
Mba ahafahana miaina, ka tsy hisy ny ho sorena,
Na mijanona ao an-trano, na mivoaka miantsena.

Ka miorena tsara, amin’ny tokantrano naorinao ;
Na mora na sarotra, ny zavatra rehetra izay hatao.
Na be ny fitsapana, eo amin’ny androm-piainanao ; 
Raha efa nivonona hiatrika, tsy rava ny tontolonao.

Ny tokantrano tokoa mantsy, toy irony jiafotsy ; 
Vao tsy ialàn-kasokasoka, na mavo io na koa fotsy.
Tonta tsy ialàn-dromoromo, ary mety hamotsifotsy.
Fa ny fitiavana, hamadika izany, ho  lasa rotsirotsy.

Ny tokantrano iray naorina, dia ny mba hiadanana.
Ny hananana andefi-mandry koa, ny mba  iterahana.
Ka ho safononoky ny soa, amin’izay rehetra ananana.
Mangidy lavitry ny faty, mamy anaty fahasambarana. 

Ho tokantrano tsara fototra, anie  ny tokantranonao.
Hanjakan’ny fifandeferana, amin’izay rehetra hatao.
Ny fifankatiavana, hamadika ny tonta rehetra ho vao.
Ka tsy hadinonao, na aiza na aiza, ny ankohonanao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Septembre 2016

Sokajy : fiainanaFianakavianaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site