TIA ANAY IANAO JESOA
Tia anay ianao ry Tompo,
Ilay zoky be nitantana ;
Satria noho ny fitiavanao,
No naha toy izao anay.
Na maro aza ny fandrika,
Na be koa ny sakana,
Raha eo ambany elatrao,
Voaro foana mandrakizay.
Tia anay ianao ry Tompo,
Ilay zoky be izay niaro.
Fa ny fahasoavanao tokoa,
Tamin'ny rehetra naleha ,
Na teo aza ny hakiviana,
Na ireo zava-nifangaro,
Niova ireny ho zava-tsoa,
Ka lasa indray ho rehareha.
Tia anay ianao ry Tompo,
Ilay zoky be tsy nahafoy.
Nandefa ireo anjelinao,
Nitantana sy nivimbina,
Nanoro ny lalana izorana,
Nanova ny manta ho matoy,
Nampety ny rehetra natao,
Ary tena niahy sy nitsimbina.
Tia anay ianao ry Tompo,
Tamin'ny androm-piainanay.
Nampianatra anay hiezaka,
Hanana fiainana mirindra,
Sy fahatokisana hatrany,
Ary ny tsy hanadinoanay,
Fa tsy tsara ny mifezaka,
Ka mankasitraka indrindra.
RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana
28 Jolay 2019
Date de dernière mise à jour : Lun 21 oct 2019
Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site