TAFIO-DRIVOTRA

TAFIO-DRIVOTRA !

Tena voa mafy foana ity Firenenay ity, anisan’ny mahantra indrindra ;
Faha dimy eran-tany hono, raha jerena ny tarehi-marika misy azy izay.
Miezaka ihany miarina, mivoatra sy mandroso ary manova famindra ;
Fa toa tavela foana eo amim-piaingana, izay no zava-misy hatramin’izay.

Anisan’ny mahatonga izany, isaky ny fahavaratra fisian'ny tafio-drivotra ;
Mitsoka tena mafy, mandravarava sy mamotipotika ny tanindrazanay.
Mampitondra takaitra  ny olon-drehetra,  satria tsy misy afa-mihodivitra.
Aza sendra azy ihany, fa ataony tena mamay toy ny avy nihinana sakay.

Izay rehetra jerena rehefa avy nandalo sy nanavatsava ny tafio-drivotra ;
Dia tontolo tena mahonena, potipotika sy torotoro, ary tena mila trano lay. 
Feno tomany sy  toreo, satria izay  rehetra niariana dia tena lasa rivotra ; 
Fahantrana miabo, miha-lalim-paka andro aman’alina no tena dikan’izay.

Fa maninona loatra ary no mbola miverimberina ianareo ry tafio-drivotra ?
Sy mandalondalo foana, mihaodiaody, manao ramatahora ny firenenay.
Mbola misisika ihany manao amboletra, izahay anefa efa voky rivotra ;
Tsy mba fantatrao ve, efa ampy izay ankaso marobe efa vitanareo izay !

Ny fanirianay ry Tompo  dia tsy hiverina eto  intsony ny  tafio-drivotra.
Fangatahana ihany anefa, fa ianao ihany no mahalala ny mahasoa anay.
Miverina ihany anefa, ary toa tsy manam-pitsaharana ny tafio-drivotra ;
Fampahatsiahivanao mba tsy ho variana, satria efa akaiky ny farany izay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
08 Mars 2017

Sokajy : FahantranaFampaherezanafiainanaFiaraha-moninaTanindrazanaVavaka

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site