SOMBON’NY AINA … 

SOMBIN’NY AINA … 

Sombin’ny aina, teny iray heno miverimberina ;
Voatonina matetika, impolo in-jato isan’andro.
Misy dikany izany, aleo foana  mitamberina
Satria teny manan-danja, tsy mety lany andro.

Sombin’ny aina, tena mamin’i dada sy neny ;
Nampitaintaina matetika na antoandro na alina.
Nikatsahana foana, ny mety hahasoa azy ireny ;
Ho rehareha amin’izay ezaka rehetra sahanina

Sombin’ny aina, maro ireo olana mety mandalo.
Aza hadino anefa, fa ilay Tompo Andriamanitra ;
Mandefa tsy ankiato ny anjeliny avy any an-danitra ;
Hiaro anao foana, amin’izay mety ho fahavalo. 

Sombin’ny aina, mbola ho avy koa ny andro ;
Hitenanao koa ny hoe :  ireo « sombin’ny aiko » ;
Tena tsy foiko, ary tsy hatoriko, satria tena tiako.
Raha toa ka mbola miposaka koa ny masoandro.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Juin 2016

Sokajy : fananaranafiainanaFianakavianaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site