SOA LAVO HAHAY MAMINDRA !

SOA LAVO HAHAY MAMINDRA !

Soa lavo hono hahay mamindra ;
Soa kenda koa hahay mitsako.
Soa korontana hahay mandrindra ;
Soa mangina hahay manako.

Soa mahantra hahay mitsitsy ;
Soa manana hahay manampy.
Soa mototra hahay mitsiky ;
Soa latsaka hahay miantsampy.

Soa dondrona hahay mianatra ;
Soa miboredika hahay miteny.
Soa maditra hahay mananatra ;
Soa mahery hahay malemy.
......  ......   ......  ......   .......
Leson’ny fiainana daholo izany ; 
Leson’ny fiainana manitsy anao.
Leson’ny fiainana lalàn’ny tany ;
Leson’ny fiainana ka mba araho.

Leson’ny fiainana tsy fanadino ;
Leson’ny fiainana ka manabe.
Leson’ny fiainana ka mba mino ;
Leson’ny fiainana ka maneke.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
28 Mai 2017

Sokajy : fananaranafiainanaKolontsaina

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Lun 15 jan 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×