RAY AMAN-DRENY

RAY AMAN-DRENY

Ireo ray aman-dreny, masoandro amam-bolana,
Voalaza matetika anaty hain-teny sy ohabolana.
Tsy tsinotsinoavina, na iza hiteny na iza hivolana ;
Fa hajaina sy toavina, mba tsy hisian'ny olana.

Ireo ray aman-dreny niady mafy, nioitra ho anao,
Hatramin’ny ianao vao teraka, ka hatramin’izao.
Matetika no niafy, nandry fotsy, ny mba ananao, 
Fiainana milamina,  mahomby, fa tsy be lazao.

Ireo ray aman-dreny lohan’ny fianakaviana, 
Apetraho avara-patana fa aza varimbariana.
Izay ny toerana sahaza azy fa tsy fanambaniana ;
Amin’izay izy ireo variana sy tena sondriana.

Ireo ray aman-dreny raha mbola koa velon’aina,
Dia tokony ho omena ny hajany fa tsy tevatevaina.
Karakarao tsara na mazoto ianao, na malaina ;
Satria raha lasa izy ireo, eo ianao vao tena hangaina.

Ireo ray aman-dreny, nahitana masoandro ;
Mila tsinjovina, jerena isan’andro isan’andro.
Tsy ho avela ho irery amin’ny andavan’andro ;
Satria efa madiva hilentika  ny tana-masoandro.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
06 Desambra 2017

Sokajy : FianakavianaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site