RAHA TOA IANAO KA ...

Raha toa ianao te hipetraka, ka hangina tsy hiteny ;
Toy ny vatolampy iray, hoy ny ohatry ny fitenenana.
Amin'ny zavatra miseho, eny an-tànana rehetra eny.
Dia lazaina hoe, "fo vato", ka tsy hita hianteherana.

Raha toa ianao te hanohy ny làlanao, tsy ankijanona ;
Toy ny rano velona mikoriana, any an'ala rehetra any.
Ka hanadino ireo mpanenjika, na koa ireo mpialona.
Dia lazaina marin-drano, fa olo-miavona eto an-tany.

Raha toa ianao tapa-kevitra, ka tsy hisaina ny taloha ;
Toy ireny vorona mandalo, mikopa-kelatra dia lasa.
Hijery lavitra hatrany,  na mandry io, na koa mifoha. 
Dia lazaina tsy rototra, amin'ireo lazaina ho tena asa.

Raha toa ianao te hiroso, ka hiantsampy eny ampita ;
Toa ny sambon-danitra iray, nalefa mafy mba hiakatra. 
Tsy hiraharaha an'izay, te hisakana anao tsy ho tafita. 
Dia lazaina, tsy ho ampahafirin'ireo izay mba tafakatra.

Raha toa ianao ka te hahomby, amin'izay zavatra hatao.
Toy ireo maro izay  nilofo, tsy mba nahalala sasatra.
Tsy varianan'ny rendrarendra, ny fomba sy ny haitao.
Dia lazaina fa tsy hankaiza, ary ny fiainanao hanasatra.

Raha toa ianao ka hanao, izay mba fantatrao fa rariny.
Toy ny raozy iray mamelana, mamerovero sy manitra. 
Tsy te hanara-drenirano, ireo mpanao ratsy sy ny tariny
Dia lazaina kely saina, ka hanonofy ho any an-danitra.

Raha toa ianao te hiaina, hiova ka hanaraka an'i Tompo.
Toy ny anjely maro be, any am-paradisa an-danitra any.
Hilaozy izao tontolo izao, ary meteza ny ho mpanompo.
Dia tena hiova, ho toy ny any an-danitra, ny eto an-tany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
05 Septambra 2018

Sokajy : Fampaherezanafiainana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Ven 07 sept 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site