RAHA MBOLA MISY KOA … 

RAHA MBOLA MISY KOA …  

Raha mbola misy koa ny saina mieritreritra,
Dia handinika lalina, tsy hasiana ady hevitra ;
Ny fanatsarana ny zavatra rehetra izay misy, 
Mba tsy hisy tomika na koa tsy ampy visy

Raha mbola misy koa, fo mitempo isan'andro,
Dia tsy hisalasala hizara ny tana-masoandro.
Tretrika sy sambatra, ny vahoaka tsy vaky volo,
Hitotorebika, satria tsara sy meva ny tontolo.

Raha mbola misy koa ny tany sy ny lanitra ;
Ka mivonona hanaiky ny Tompo Andriamanitra.
Hinoana fa ho sambatra, ary koa hifaly avanja ; 
Tsy hifamitaka, na koa hanao ady antsanga.

Raha mbola misy koa, ... inoako fa hisy foana.
Ny fiezahana, ny fikirizana  ho zaraina etoana ;
Dia ho sambatra sy tretrika ny olona rehetra
Hidera sy ankalaza ny Tompo, ka aina no fetra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
18 Juin 2016

Sokajy : fananaranafiainanaPolitikaTontolo iainana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site