RAHA IZAHO NO HO FILOHA, …

RAHA IZAHO NO HO FILOHA, …

Madagasikara, ilay Nosy  miavaka sy meva ary tsara.
Kilasiana  koa, ho ilay Firenena mahantra indrindra.
Ny mponina ao mivavaka, eny hatreny amin’ny alitara.
Nosy hanan-karena, raha toa ka  manova ny famindra.

Ny fandrosoany dia hiankina amin’izay lany ho Filoha,
Na  izaho, na ianao, na izy, samy  mety hatao daholo ;
Raha toa mahay manentana, ny Malagasy rehetra hifoha.
Ka mba ho marisika amin’izay, ny tena hanova ny tontolo.

Raha izaho no ho Filoha, …

Alohan’ny rehetra aloha, dia ho ankinina amin’i Tompo,
Ny vina ny fampandrosona, izay eritreretina ny ho hatao.
Ka Izy no hanolo-tsaina, ho an’ireo rehetra izay hanompo,
Vonona ny hamadika ity Firenena efa tonta, ho lasa vao.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ny toe-tsaina miankin-doha, mila hovaina tanteraka.
Mba hanan-kambo amin’izay, ka ho tena Malagasy.
Hiezaka hihoitra miaraka, fa tsy hanao tanty reraka.
Hisaina ho tena Malagasy, fa tsy ho vazaha taratasy.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ho vaindohan-draharaha, ny fandriampahalemana.
Havaozina ny fampianarana, hifanaraka amin’ny filàna.
Kajiana ny fahasalamana, ho laharam-pahamehana.
Ny olona rehetra hitovy, samy eo ambanin’ny lalàna.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ny fambolena sy ny fiompiana, dia ho ezahina hivoatra.
Ny harena ankibon’ny tany, ho trandrahana ara-drariny.
Ka mba tsy hisy intsony, ny Malagasy tezitra hitroatra ;
Satria hahatsapa hahazo tombony, raha hajaina ny rariny.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ny harena an-dranomasina, dia tena ho an’ny Malagasy.
Tsy ho tompony mangataka atiny, fa kosa tena hizaka ;
Izay tsy hanaraka an’izany, dia ho avela eo hangasihasy.
Tapitra hatreo ny gaboraraka, ary ny Firenena kosa hitraka.

Raha izaho no ho Filoha, ...

Ny zavatra novokarina, alohan'ny  hanondranana azy ;
Dia ahodina hatsaraina ho lafatra aloha mba hiaka-bidy. 
Mba hisy fiantraikany, amin'ny  fiainan'ny tsirairay avy.
Rehefa voky sy sambatra  ny rehetra, dia vita ny adidy.

Raha izaho no ho Filoha, …

Ho jerena manokana, ireo lalàna amin’ny fananan-tany ;
Ka ny Malagasy nanamainty molaly, no tena mba hisitraka.
Vita  hatreo ny vaky fasana, ny very taolam-paty mitomany. 
Hamoraina koa ny famindrana lova, ka tsy hisy ny hisitaka.

Raha izaho no ho Filoha, …

Tsy misy  ny foko ambony na ambany, ka hozarazaraina ;
Toy ny fanaon’ny mpanjanaka, ahafahany manondrana.
Izany rehetra izany anefa, mitaky ny fiovan’ny toe-tsaina ;
Satria iray ihany ny Malagasy, tsy misy tanivo na tanindrana

Tsy izaho mihitsy anefa no ho Filoha, …

Fa soso-kevitra hatsipy, sao mba misy ihany ny mandray ;
Na anjara biriky atolotra, ho fampandrosoana ny Firenena.
Ankinina amin’ny Fanahy Masina, Zanaka ary koa ny Ray.
Dia azo antoka fa ho tanteraka, ny  hisian’ny fandresena

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
20 Septambra 2018

Sokajy : Aingam-panahyembonaEritreritra mandalofiainanaHambom-poPolitika,Tanindrazana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Lun 24 sept 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site