NY RÀN'I JESOA KRISTY TOMPO

NY RÀN'I JESOA KRISTY TOMPO

I Jesoa  Kristy Tompo,  ilay Zanaka  tokan'ny Ray ;
Tonga  teto  an-tany, mba  hamonjy  ny  mpanota.
Nanetry tena, nanaiky, nidina  ho  nateraka  indray,
Tao  an-tranon'omby iray, izay hita  efa tena tonta.

I Jesoa  Kristy Tompo,  nanao  fahagagana maro ;
Namonjena  ireo olona,  izay  hita  tena  sahirana.
Nampisehoana eo imaso, ary koa nampahatsiaro,
Ny  fitiavany tsisy  fetra,  feno  tsiky  sady  mirana.

I Jesoa Kristy  Tompo,  tsy  nandà  ny  nombohana,
Teo  amin'ny  hazo fijaliana, na dia tsy  meloka aza.
Fotoana iray nanan-tantara, ary koa nanombohana,
Ny namonjena  izao tontolo izao, araka  ny voalaza.

I Jesoa  Kristy Tompo,  nahafoy nandatsaka ny ràny,
Hanavotana  antsika, eto amin'ny  tany fandalovana ;
Mba  ho  mpandova ny paradisa, any an-danitra  any,
Na dia tsy mendrika aza, noho ny tarazo fahalovana.

I  Jesoa  Kristy  Tompo, ilay tena feno  fanetren-tena,
Na dia  Mpanjakan'ny  mpanjaka aza, hoy ny baiboly,
Misy sahy manevateva, amin'ny fihetsika mahonena.
Fihetsika  mendrika  ny  helo, tena  fihetsika  devoly.

I Jesoa KristyTompo, hany làlana tokan'ny famonjena ;
Manelanelana mampita, any amin'ny Ray ambony any.
Raiso  amin'ny  fo  madio,  sy  amin'ny   fanetren-tena ;
Satria noho ny fitiavany  tsisy fetra, nalatsany ny ràny.

Ka meteza  hiova, hadio, ho isan'ny  nateraka  indray ;
Ao  anatin'ireo  zanaka, hanaraka  an'i  Jesoa  Tompo,
Tsy ny anio ihany, na ny ampitso, fa koa  mandrakizay.
Mba tsy very  ny ràny,  raha ny  rehetra no  manompo.

Ny ràn'i  Jesoa Kristy, ra ̀ ny  fanantenan'ny  tsirairay ;
Ny ràn'i Jesoa Tompo, rà miaro amin'ny zava-mahory ;
Ny  ràn'i  Jesoa  Kristy, rà  ny  fiainana  mandrakizay ;
Ny ràn'i Jesoa Tompo, rà sy aina, mandemy ny devoly.

Ny ràn'i Jesoa Kristy, rà ny famelana ny ratsy efa vita ;
Ny  ràn'i Jesoa Tompo, rà ny soa   sy ny tsara rehetra ;
Ny  ràn'i Jesoa Kristy, rà mandresy ny fiainan-tsy hita ;
Ny ràn'i Jesoa Tompo, rà  mamonjy  ny olon-drehetra.
.
RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Jona 2019

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Lun 21 oct 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site