NY MPIVADY

NY MPIVADY ! 

Ny mpivady ve ! olondroa nifanena, tsy tamin’ny kisendrasendra ;
Fa nampihaonan’Andriamanitra, hiara-dàlana, mba ho lasa iray.
Hiara hamakivaky ny fiainana, hiara hiatrika, eny hiara hisedra,
Ny onjam-piainana, omaly, anio, ampitso, ary koa mandrakizay

Ny mpivady ve ! raha jerena, samy nanana ny nanabeazana azy ;
Na tao antokantrano io, na koa teny amin’ny manodidina eny ;
Na tany an-dakilasy koa, niankina tamin’ny ray amandreniny avy.
Tsy hitovy mihitsy, fa samihafa, na iza hivolana, na iza hiteny.

Ny mpivady ve ! amin’ny fo tsy miangatra, tany amboalohany tany ;
Mbola vao sy mahery ilay fitia, nizotra, niroso tsy am-pisalasalana ;
Ny tsy nety, nekena ho mety, hiova foana io any amparany any.
Izany no lalànan’ny natiora, Izany ny làlana voasoritra ombana.

Ny mpivady ve ! efa samy tonga saina, fa raha tiana ny hivoatra, 
Ilay tokantrano izay naorina, dia tokony hisy foana ny ezaka, 
Isanandro isanandro, ka fadiana sy ilaozana ny fihetsika mitroatra ;
Fa hifampihaino sy hifandefitra ary hanao foana tomban’ezaka.

Ny mpivady ve ! raha te-hanana tokantrano  soa sy mahafinaritra ;
Dia tsy tokony hijangajanga,  tsy hanana fihetsika tsy mendrika.
Fa hanaja foana ny vady, fa tsy variana amin’ny zava-tsy maharitra ;
Toy ny akanga tsara soratra, izay mandrebireby no koa mahasarika.

Ny mpivady ve ! olondroa miara-dàlana, mamakivaky ny fiainana ;
Mety mora io, mety ho sarotra, mety ho fidinana na koa fiakarana ;
Rehefa mifampihaino, mifanampy, ary miezaka ny hitovy fisainana ;
Dia hahafinaritra ny tontolo, tsy hisy rofy, tsy hisy  hasasarana.

Ny mpivady ve ! olon-droa tsy mifankafoy, toy ny rano sy ny vary ;
Na koa, toy ny trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalena ialofana ;
Hifanjoy eny foana, ka tsy hisy ny hifandao, na koa ny hifanary, 
Fa hifankatia mandrakizay, ary ny fahasambarana tsy hototofana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
05 Décembre 2016

Sokajy : fiainanaFianakavianaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site