NY FITIAVAKO ANAO  ...

NY FITIAVAKO ANAO  ...

Ny   fitiavako  anao,
Tena fitiavana madio,
Tsy   nisy   tambiny,
Toy ny an'ny mpilalao,
Niserana  toa  tadio,
Tsy mba nisy ambiny.

Ny  fitiavako  anao,
Niroso  moramora,
Tsy  nampoiziko ;
Hay  tsara  kalitao,
Tsy  nahafotsy rora,
Ka tena nankafiziko.

Ny   fitiavako  anao,
Lasa  fiarahantsika,
Tena  niorim-paka ;
Izay  rehetra  natao,
Dia  niarahantsika,
Sy niarahana nizaka.

Raha ny fiarahantsika,
Tsy  vitan'ny  jerijery,
Na  lasa seho ivelany ;
Ka ny endrika sy bika,
No nibahana nanery,
Nampivoaka ny felany.

Ny  fifankatiavantsika,
Niroso tena matotra,
Nanorenana tokantrano ;
Ny teny mamy nabitsika,
Nahatonga nifamatotra,
Tsara noho ny angano.

Ny tokantrano naorina,
Dia  narahin-jazavavy,
Sy  nisinton-jazalahy ;
Ka   tena   mafy  orina,
Nijoron'ny mpianakavy,
Tsy   amin'ny   ahiahy.

Niha maro ny taranaka,
Niriaria sy nifankatia,
Sy nifampitsinjo foana ;
Ka rehefa mba tafaraka,
Niezaka haha te ho tia,
Tsy diso amin'ny fotoana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 Jolay 2019

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site