NY FIANARANA

NY FIANARANA

Mianara dia ny malaina, fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
Anatry ireo ray aman-dreny, ho an'ireo taranany tsy foiny.
Mba hananany fahavononana, ahafahany miatrika ny fiainana ;
Eto an-tany fandalovana, mitady handavo, tsy misy hisainana.

Ny fianarana tokoa mantsy no ahazoana ny haitao sy ny traikefa ;
Ilaharana amin'ireo rehetra izay tafita, fa tsy ireo izay mirefarefa.
Ka ahafahana miaina, tsy ho isan'ny mahantra, fa mba ny tretrika.
No hampandroso koa ity firenena, izay tsy mitsahatra milentika.

Ny fianarana no akora fototra, hiaingana ahafahana manorina ;
Firenena vanona,  mandroso, sy milamina, ary maha-te-honina.
Tsy ho hadino koa anie, ny famolavolana ny tena maha-olona ;
Izay hadino matetika, ka ny tokony hilamina lasa mitambolona.

Ny fianarana tokoa mantsy, no tena lova izay tsara indrindra ;
Tsara apetraka amin'ireo taranaka, hananany fiainana mirindra.
Lova tsara tsy mety lo, omaly, anio, ampitso, eny mandrakizay.
Ka ampianaro, beazo ny taranaka ho hendry, sy hifofotra hahay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 Desambra 2017

Sokajy : FampaherezanafananaranafiainanaFiaraha-moninaTanindrazana

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site