NY FIAINANA ETO AN-TANY

NY FIAINANA ETO AN-TANY

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Iaraha-mahita  mahalala ;
Ny  ambony  lasa ambany,
Mifankatia,   mifankahala.

Ny  fiainana  eto   an-tany,
Fanantenana, fahakiviana ;
Mahafaly,  mampitomany,
Hehy, ranomaso mikoriana.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Mahatezitra,  mampitony ;
Mila  fandinihina  hatrany,
Ny  ambany, lasa ambony.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Raha  dinihina sy  jerena ;
Tsy   maha   mpaminany,
Tampoka eo mahasorena.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Lazaina  ambara  etoana ;
Tanin-tsiky,  tanin-tomany,
Maha sempotra, hisefoana.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Dia  fiainam-pandalovana ;
Miserana  mandalo  ihany,
Ny hiafarany  fahalovana.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Fiainana tokana, miavaka ;
Mila  mifankatia  hatrany,
Tsy tokony hifanavakavaka.

Ny  fiainana   eto  an-tany,
Tsy fiainana  an-jato taona ;
Tsy  maintsy  mody  ihany,
Rehefa  tonga  ny fotoana.

Ny  fiainana  eto  an-tany,
Fiainana ilàna an'i Tompo ;
Mba  ho  tretrika  hatrany,
Sady mirana no manompo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
04 Novambra 2019

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site