NY FIAINAN-TOKANTRANO !

NY FIAINAN-TOKANTRANO ! 

Mihodina ny tany, toy izany koa ny andro, ny volana ary ny taona.
Mitamberina ao an-tsaina, ny fiainana nodiavina tao anaty tokantrano.
Nisy ny fitsapana maro, tsy voatanisa analinkisa, nampiteny ny moana.
Niravina ihany, noho ny fiaraha-misedra, mba tsy hidiran’ny angano.

Na mafy aza ny fiantraikan’izy ireny, ka nandavo mba tsy hitraka.
Ny herin’ny fitiavana, voakolo ny hiatrika, dia nahafahana nisedra,
Ny zava-drehetra niseho, mba tsy hisy ranomaso, mety tsy ho zaka ;
Ka fifaliana foana ny fiainan-tokantrano, tsy natao kisendrasendra.

Nisy ny andro tsy natoriana, sy nandriana fotsy, tena mafy eny ekena.
Na izany aza, tsy nivalo, fa nitraka hatrany, eny tsy nanaiky resy.
Izay no ilazana hoe, nahomby ny fifankatiavana izay vita fifanekena ;
Ka ny fahombiazana omaly, hotohizana anio, sy ampitso mba hisesy.

Ny fahombiazana tsy hadino, dia avy amin’ny seraseran’ny mpivady.
Miara-mijery ny olana sy ny vahaolan’isandro, ahafahana mandeha ;
Mamakivaky ny fiainana, be fandrimpandrika, mba tsy hivarinana an-kady.
Ny fifanajana, ny fahamalinana, ny fikirizana, amin’ireo làlana izay aleha.

Na izany na tsy izany, ilaina foana ny mitandrina satria be ny fahavalo ;
Miezaka tsy mitsahatra, hamingana sy hamotika ireo rehetra izay naorina ;
Ny toky anefa, eo foana ilay andefimandry, fa tsy miserana toa mpandalo,
Fa miara-dia tsy miato, miara-mamakivaky ny fiainana, satria tena miorina.

Ny fiainan-tokantrano dia fiainanan’olondroa, otronin’ireo zanaka ;
Mandra-pahatonga ny fahatafitana sy ny fahaleovanten’izy ireo.
Dia miverina indray ho fiainan’olon-droa, na dia maro aza ireo taranaka ;
Ary ho fiainam-pahasambarana, lavitry ny alahelo, ny toloko sy toreo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Décembre 2016

Sokajy : fiainanaFianakavianaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site