NY ASA FITSABOANA, ...

NY ASA FITSABOANA, ...

Ny asa fitsaboana, ilaina olona tena malina ;
Na amin'ny  antoadro, na koa  amin'ny alina.
Mila fahavononana, amin'ny fotoana rehetra ;
Manery  foana  ny hianatra, ka  aina  no fetra.

Ny asa  fitsaboana, asa iray mila ny fitoniana ;
Fanajana ny marary, fa tsy  ny fanambaniana,
Amin'ny fotoana rehetra, izay hifaneraserana,
Na anaty toeram-pitsaboana, na ankalamanjana.

Ny asa fitsaboana,  dia asa iray tena mendrika,
Hanampiana ny marary, hitraka, tsy ho rendrika ;
Ka  hahitany  fahasitranana,  izay  iriany  mafy,
Vita eto an-toerana, tsy manery ho any an-dafy.

Ny  asa  fitsaboana, asa  mila  ny  fandalinana ;
Ahitana  tsara  ny aretina, izay tokony hotiliana.
Hampiasana  ny  fanafody,   tena  mifanandrify ;
Ahazoana vokatsoa iainana, fa tsy mampitapify.

Ny  asa  fitsaboana, asa  ilaina  ny fahamarinana ;
Ka mila mijery tsara, ary atao am-pahamalinana.
Manara-maso akaiky, ny mety fivoaran'ny aretina,
Hisian'ny fahombiazana, sy ny sitraka ho arentina

Ny  asa  fitsaboana,  asa  tsy   atao   an-kevoana ;
Ny Tompo no manasitrana, ny marary eo anoloana.
Mila malemy paika, amin'ny fotoana fandraisana ;
Mampitony ny marary, fa tsy mampitondra faisana.

Ny asa fitsaboana,  dia isan'ny  asa  tena sarotra ;
Asa  tena fanompoana, tsy  hisian'ny ady varotra.
Asa izay nosafidiana, tsy natao hampanan-karena ;
Fa asa mihaja, iandraiketana, amim-panetrentena.

RAS AMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Jona 2019

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Lun 21 oct 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site