NY ASA FAMPIANARANA
Ny asa ... fampianarana,
Dia asa iray tena miavaka ;
Tsy mitandro hasasarana,
Ary koa tsy manavakavaka.
Ny asa ... fampianarana,
Dia asa iray tena mihaja ;
Misahana ny fanabeazana,
Olon-tsotra sy manan-kaja.
Ny asa ... fampianarana,
Asa mila fandavan-tena ;
Lazaina tsy ampihambana,
Mamolavola olom-pirenena.
Ny asa ... fampianarana,
Toy ny asa ... fitsaboana ;
Andry iray tena hiankinana,
Mba hisian'ny fandrosoana.
Ny asa ... fampianarana,
Mila fiofanana manokana ;
Mba hisian'ny fivoarana,
Lafiny maro fa tsy tokana.
Ny asa ... fampianarana,
Asa iray nampandeferina ;
Faralahy tsy mba manana,
Fa ny teo ihany no naverina.
Raha jerena akaiky anefa,
Asa hiankinan'ny ho avy ;
Ka ao no tokony hiantefa,
Ny ezaky ny mpianakavy.
Ny tsy tokony ho hadino,
Na inona na inona lazaina ;
Na hino ianao na tsy hino,
Ny nianatra tsy ambakaina.
Koa raha tiana ny Firenena,
Omeo ny haja mendrika azy,
Ny mpampianatra mahonena,
Fa aza anaovana rainazy.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Oktobra 2019
Date de dernière mise à jour : Mer 16 oct 2019
Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site