MIVAVAHA KA AZA MITSAHATRA !

MIVAVAHA KA AZA MITSAHATRA ! - Rasamindrakotroka Andry Tiana

MIVAVAHA KA AZA MITSAHATRA !

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Eo amin’ny androm-piainanao ;
Ka ny tsara foana alahatra,
Izay no adidy miandry anao.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Maraina, antoandro sy hariva.
Ny fiainanao ho sambatra,
Na mbola ho ela, na efa hadiva.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Satria be ny te handavo anao ;
Na akaiky io na mety ho lavitra,
Na eo ivoho na eo anoloanao.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Fa tsy ela intsony dia ho tonga,
Ilay fotoana izay nalahatra ; 
Tsy angano io na koa somonga.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Averimberina eto foana.
Satria satana lava sabatra,
Handiso anao amin’ny fotoana.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Dia ho mpandresy ianao.
Fa ho avy ny fialan-tsasatra,
Antanan-kavanan’i Tomponao.

Mivavaha ka aza mitsahatra,
Satria ny tanjona rahatrizay,
Dia ny handova sy ho sambatra,
Antranon-dRay mandrakizay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Février 2017

Sokajy : FampaherezanafiainanaVavaka

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site