MISAOTRA ANAO RY TOMPO !

MISAOTRA ANAO RY TOMPO !

Raha vao  mifoha iny, isaky ny  maraina,
Mahita ny  tana-masoandro   miposaka ;
Manavatsava,   amin'izato  fahasahiana,
Ao amin'ny efitry ny trano, izay natoriana.
Mivimbina ny arahaba, entina ho zaraina ;
Mitondra  herijika  maro  lafy, ho atosaka. 

Ny singa voalohany, tonga  ao an-tsaina,
Dia  ny  mitsaoka,  an'ilay Jesoa Tompo ;
Niahy sy  nitahy,  nandritra  iny alina iny,
Amin'ny loza maro be, fahita  ankehitriny. 
Ka mbola nofohaziny, isan'ny velon'aina,
Eo anivon'ny natiora, anisan'ny hanompo.

Ny dera, laza, hery, haja anie, no  atolotra,
Ho  an'ilay Andriamanitra,  telo  izay  iray ;
Noho  ny fitiavany  lehibe, tsy  misy fetra,
Izay  nozarainy mitovy, ho  an'ny  rehetra.
Miampy  sitraka feno,  mivoaka  imolotra ;
Ho Azy, anio, ampitso ary ho mandrakizay.

Ka ho arahana, ho hajaina anie ny didy folo ;
Sy  ny fitiavana namana, toy  ny tena ihany.
Halavitana marindrano, ny manao kolikoly,
Sy  ireo fandrika maro be, velarin'ny devoly. 
Dia ny tsara ihany, no  hameno ny tontolo ;
Eo  ambany fitahian'i, Jesoa Kristy hatrany.

RAS AMINDRAKOTROKA Andry Tiana 
07 Jona 2019

Sokajy : fiainanaFideranaVavaka

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site