MIORENA TSARA AZA MIOVA

MIORENA TSARA AZA MIOVA

Maro  ny zavatra miseho, mandrirotra eo amin'ny fiainana ;
Mampiroroa  saina,  mety  hanozongozona  ny  fisainana.
Tsy hanaraka  ny làlana mahitsy, efa  voasoritra hizorana ;
Raha  izany no miseho, tsy  ho  afaka  mihitsy ny fatorana.

Maro ny tokantrano simba, noho ny akanga tsara soratra ;
Miezaka  ny  mandrava,  mandady  mora  toy  ny sokatra,
Amin'ny  fampiasana  angolangola, sy fitaka madinidinika.
Ka ho potraka eo, lavo, raha manao fihetsika tsy voadinika.

Be  ny fihavanana  rava,  noho ny fomba  tsy  voatandrina ;
Na ny fiteny tsy voahevitra, ka midona an-tampon-kandrina.
Ny fitafy  tsy  maotina, mety  ho handratra  ny fo  sy  saina.
Ka  mila mitandrina  amin'ny teny,  sy ny  fitafy ampiasaina.

Eny amin'ny toeram-piasana, mety  misy ny fakam-panahy ;
Misintona  mora,  hitondra  amin'ny fihetsika  mampanahy :
Toy ny tsy  fanajana  ny  asa, sy  ny risoriso ary ny  halatra,
Ka  mampisitri-belona, tsy hifanena amin'ny  olom-pantatra.

Be ny zava-mahasarika, mandavo, eo amin'izao tontolo izao ;
Amin'ny rendrarendra maro, famitahana, ary koa ny be lazao.
Manintona  hivarina  an-kady, mba tsy ho tafavoaka intsony ;
Satria  ho lasan'ny  maizina  ny fiainana, anjakan'ny lonilony.

Ka miorena tsara, aza  miova, ao amin'ny  tokan-tranonao ;
Ka miorena tsara,aza miova, ny mendrika ihany re no atao ;
Ka miorena tsara, aza  miova, ny teny  maotina  no entina ;
Ka  miorena tsara, aza miova, ny fitafy tsara ihany arentina.

Ka  miorena  tsara, aza  miova, amin'ny  asa  izay sahanina ;
Ka  miorena  tsara, aza  miova,  ataovy  foana  matihanina ;
Ka miorena  tsara, aza miova, miezaha ny mba ha te ho tia ;
Ka  miorena  tsara,  aza  miova, eny ho mandrakizay  doria.

Ka  miorena  tsara, aza  miova, tazony  foana  ilay  finoana ;
Ka miorena tsara, aza miova, ambara-pahatonga ny fotoana ;
Ka miorena tsara, aza  miova, mazotoa hatrany ny hanompo ;
Ka miorena tsara, aza miova, miaraka hatrany amin'i Tompo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 May 2019

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Lun 21 oct 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site