MIEZAHA RAHA TE-HIAINA TSARA

MIEZAHA RAHA TE-HIAINA TSARA

Ny fiainana eto antany, ekena fa mila fiezahana ;
Isa-minitra, isan’ora, eny isanandro isanandro.
Ny asa sy ny fampandrosoana no tokony hibahana ;
Fa tsy ny zavatra tsy misy dikany, mandany andro.

Ny fiainana hono, ho an’ireo izay mifoha maraina, 
Sy ireo mihary tory, mamita ny tsy vita ny antoandro.
Mifofotra foana, na mazoto na toa koa malaina ;
Mba hiainana tsara, raha mbola eo ambany masoandro.

Ny hatsembohan’ny tavanao  no hihinanao hanina ;
Valin’ny ezaka izay ataonao isanandro isanandro.
Ny fari-piainanao dia hita hivoatra hiha-milamina ;
Hita izany amin’ny tomban’ezaka isan-kerinandro

Dia ho hita hihatsara eny foana ny farim-piainanao ;
Araham-pifaliana isaky ny miposaka ny masoandro.
Ho tsapa hihametimety foana koa izay rehetra hatao ;
Hihamavitrika hatrany, satria mahatsiaro tsy lany andro.

Ka aza manao toy ireo mpanao « trafika » bolabola ;
Mikapa antsokosoko foana isanandro isanandro, 
Ny zava-tsy nisasarany mba ahazahoan’izy ireo vola.
Satria ny miasa, ny mifofotra hono toa mandany andro.

Fadio koa, ny migalabona amin’ny harem-pirenena,
Ka manararaotra toy ny hitsikitsika sy ny papango.
Ny rehetra miha-mahantra ny azy mihavosa ny harena ;
Satria tsy manan-tsaina afa-tsy ny hanao rapadango.

Aza hadino anefa, fa izao fiainana izao dia mandalo ihany ;
Na miposaka sy milentika foana aza ny masoandro.
Ny fiainana any ankoatra no tokony hiomanana hatrany ;
Satria ho avy toy ny mpangalatra io na alina na antoandro.


RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 Mars 2017
 

Sokajy : FampaherezanafananaranafanantenanafiainanaFiaraha-moninaHambom-po,Tanindrazana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site