MBA HENOY IHANY

MBA HENOY IHANY

Mba henoy ihany, ny rivotra mitsoka, 
Manafosafo mora izao tontolo izao ;
Misy hafatra ampitainy, toy ny sioka
Manavatsava, ao ampoto-tsofina ao.

Mba henoy ihany, ny vorona misioka, 
Eo am-baravaran-kely vao maraina ;
Mamoha moramora, amin'ny ritsoka
Malefaka, ho an'ny ho avy hatsaraina.

Mba henoy ihany, ny vanja mitsefotra,
Mety ho handavo eo amin'ny fiainana.
Mitondra hakiviana, mety hanempotra,
Ka tsy ho ampy, ny fotoana hisainana. 

Mba henoy ihany, ny varatra mipoaka,
Manakoako mafy eny an'habakabaka.
Mampitandrina, mandrisika hitsoaka,
Ny mba  tsy hianjerana ao anaty lavaka.

Mba henoy re, ny feon'ny fieritreretana,
Manitikitika isan'andro, ao anaty ao.
Ka fitondran-tena tsara, no manentana
Ny fiainana, eo amin'izao tontolo izao.

Mba henoy ihany, ny ray aman-dreny,  
Manoro sy manabe an'ireo taranany ;
Mba hananany solofo hendry, to teny, 
Ambony lavitra noho ny mety hananany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Janoary 2019
 

Sokajy : fananaranafiainana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mer 27 fév 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×