MAHARY-PERY

MAHARI-PERY !

Mitaraina, mimenomenona,,
Fa  mihamafy  ny  fiainana ;
Tsy mitsahatra  miaka-bidy,
Ny  akora   fototra  iainana.
Ny fotoana koa  ity, toa fohy,
Tsy mba misy isaintsainana ;
Hany  hery dia  ny  milefitra,
Mijery fotoana kely hisainana.

Tampotampoka   eo    anefa,
Dia  misy  ny   manararaotra ;
Manentanentana   ny   olona,
Mambosy azy mba hitroatra.
Raha  ny  zava-misy   tokoa,
Tena latsaka ambany loatra ;
Na  aiza,  na  aiza  no   aleha,
Efa   miaina   ambany  foitra.

Mahamenatra ihany ny mandre,
Sy mahita an-tambazotra ireny,
Fa  i  Madagasikara  anie hono,
Tena  mahantra,  ary  novoleny ;
Mety ho novolen’iza ary  anefa,
Hoy  ireo  rehetra  izay miteny ;
Novolen’ireo  fahavalo anatiny,
Manao  varoboba  ny  Fireneny.

Koa mahatsiarova tena, mijoroa,
Mba   mihenjàna   toy  ny  hasy ;
Ny fandrosoana  izany tsy hisy,
Fa hangaina eo, ary hangasihasy.
Misikina  ny fahasahiana,  hijoro,  
Hihoitra, ary koa mba tena hihafy ;
Dia  hinoana fa  hirehareha ianao,
Fa  izaho  dia   tena  MALAGASY.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
15 May 2016

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Lun 21 oct 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site