MAHARENA TOKANTRANO ....

MAHARENA TOKANTRANO

Maharena tokantrano, teny mamy nozaraina,
Ho an’ireo mpifamofo, izay vao vita mariazy.
Tsodrano nipololoatra, hotsaroana tsy sandaina ;
Satria manomboka eo, tsisy intsony ny ahy sy azy.

Maharena tokantrano, tsy mitaky zava-maro ;
Fa ny fikolokoloina hatrany, ilay fitiavana hateza.
Ka tsy ho sodokan’ny akanga, tia mifangaroaro ;
Fa hiezaka isan’andro, ny tsy mety aleo meteza.

Maharena tokantrano, mila fiezahan’ny rehetra ;
Tsy hitsabaka hitsikera, ity tokantrano vao niorina.
Mba hahatanteraka ilay voady, ka tena aina no fetra ;
Ka ireo mpivady vao, no tena hiezaka ny hanorina.

Maharena tokantrano, ho an’ireo mpivady vao.
Teny tsy mandeha ho azy, fa mifono hevi-dalina.
Hosaintsainina isan’andro, satria fiainam-baovao,
No aorina manomboka eto, ka ilaina tena malina.

Maharena tokantrano, eo ambany elatr’ilay Tsitoha ;
Ka hiadana sy ho ambinina, amin’izay rehetra hatao.
Aza hadino ny mivavaka, rehefa hatory na hifoha ;
Mba Jesoa  no vatolampy, andrin’ny tokantranonao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Septembre 2016

Sokajy : fiainanaFianakavianaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Mar 03 avr 2018

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×