IZAHO SY IANAO
Izaho sy ianao niara-dia,
Efa ampolon-taona maro.
Mpianadahy, mpinamana,
Lazaina koa mpifankatia.
Tsy nifankafoy nifampiaro,
Amin'izay rehetra namana.
Izaho sy ianao niara-niezaka,
Nanavatsava ny fiainana ;
Lalan-tsarotra no nodiavina,
Niezaka ny tsy ho nifezaka.
Nijery fotoana foana isainana,
Mba hahazo izay tadiavina.
Izaho sy ianao niara-nihafy,
Nitsinjo foana ny ampitso ;
Ahafahana, eny ny miatrika,
Ny tampoka mety ho mafy.
Nahomby hatrany tsisy diso,
Nifampijery, sy nifanatrika.
Izaho sy ianao ankehitriny,
Efa nahazohazo taona ihany.
Fanahy, fo ary saina matotra,
Efa tompon-tany fa tsy vahiny.
Ka tsy ho lavo amin'ny tany,
Satria, efa tena mifamatotra.
Izaho sy ianao no ohatra izao,
Dia noho ny fitiavan'i Tompo.
Teo foana, niaro sy nivimbina ;
Hatramin'izay, ka hatramin'izao.
Ka tsy ho hadino ny mifanompo,
Mifanohana sy mifampitsimbina.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
25 Febroary 2019
Sokajy : Fahatsiarovana, fanantenana, fiainana, Fitiavana, Hambom-po
Date de dernière mise à jour : Mar 10 déc 2019
Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site