INY RAOZY MENA INY

INY RAOZY MENA INY

Iny ilay raozy mena iny,
Izay natolotra ho anao ;
Vao niotazana maraina.  
Tsotra meva tsisy tsiny,
Anefa tena tsara kalitao,
Sy mambabo fo sy saina.

Raozy manambara fitia, 
Singa tokana iray ihany.
Mitondra hafatra lehibe,
Avy amin'olona iray tia ;
Matotra fa tsy be vinany,
Amin'izay rehetra aleha.

Raozy mena tsara fantina, 
Tao anatin'ny raozy maro.
Misy ny mampiavaka azy,
Manitra e, fa tsy mantsina.
Diniho akaiky  sy fantaro ;
Tena ao amin'ilavana azy,

Raozy iray izay voatahiry.
Nijanona kanto, tsara foana.
Anaty takelaka boky iray ;
Toy ny fitiavana vao nitsiry,  
Niha lehibe mandava-taona ;
Tena lalaina mandrakizay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Desambra 2018

Sokajy : Aingam-panahyembonaFahatsiarovanafiainanaFitiavana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Sam 02 mars 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×