HONO HOY AHO RY OLONA IRAIKA INY

HONO HOY AHO RY OLONA IRAIKA INY

Hono hoy aho ry olona iraika iny, 
Inona indray ary ity fihetsikao ?
Ohatra ny taloha ny ankehitriny ;
Tsy miova mihitsy ny tonta no vao.

Hono hoy aho ry olona iraika iny ;
Misy ny fotoana, mety mifamaly.
Mahavariana fa ny niseho fahiny,
No indro miverina ohatra ny omaly.

Hono hoy aho ry olona iraika iny,
Voahevitra tsara ve ny teny avoaka ?
Madio ve ny saina, sa tsy misy tsiny ?
Satria avy eo dia  iny lasa mitsoaka.

Hono hoy aho ry olona iraika iny, 
Mora mitrifana tsy hita hoe ahoana.
Natao hoe niova hay namaky siny ;
Maherihery fiteny sy minaonaona.

Hono hoy aho ry olona iraika iny,
Sarotra resahana fa mahatoky tena.
Ny anio tsy ohatra ny niseho fahiny ;
Raha midaboka eo dia tena ho lena.

Hono hoy aho ry olona iraika iny,
Miserana anie ny fiainana an-tany ! 
Satria ny rehetra anie dia mpivahiny ;
Veloma eo izay tsy mahalala izany !

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Marsa 2019

Sokajy : fananaranafiainanaFitiavanaTontolo iainana

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site