HAFATRA AMPITAINA ...

HAFATRA AMPITAINA ...

Ravorona iry ô, handeha ho aiza izato ianao ?
Mivikavika vao maraina, toa maika izato izy.
Ny fikopakin'ny elatrao, toa mira angorodao ;
Milamindamina aok'izany, tsy iaran'ny kirizy.

Ravorona iry ô, mba ho hafarako ange ianao !
Hitondra hafatra kely, hampitaina any ho any.
Ho zarazaraina eny an-dàlana, asa ny hevitrao ?
Fa  mety  mahasoa  ny mponina eto an-tany.

Ravorona iry ô, izao ilay hafatra hampitaina :
Dia ny mba hifankatiavan'ny olon-drehetra ;
Mba tsy hifamono, fa lahatokana anie ny aina !
Ka tokony ho kajiana amin'ny fotoana rehetra.

Ravorona iry  ô, mba  hampitao  any  koa re,
Ny hitandroana mandrakariva ny fahamarinana,
Toy ny anakandriamaso hoy ny teny fandre ;
Ka hiezahan'ny rehetra tsy hanao dika vilana.

Ravorona iry ô, mba lazalazao any ny fifanajana,
Eo amin'ny olon-rehetra mety ho lehibe na kely ;
Taratry ny toetra tsara, an-trano na ankalamanjana.
Indrindra  ny  fanoavana   ireo  ray  aman-dreny.

Ravorona iry ô, tsy hadino ny fahazotoana miasa ;
Mba tena hisian'ny fivoarana eo amin'ny Firenena.
Ary mba ho tanteraka daholo  ny zavatra kinasa.
Amin'izay angamba vao tena hisy ny fahaleovantena.

Ravorona iry ô, ny hafatra farany sao dia hadino,
Dia ny mivavaka mafy amin'Andriamanitra Ray ;
Miasa  foana  mantsy, anefa  mety  hioty tadio
Raha  tsy ambinin'i Tompo, ka eo  vao  angaihay.


RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana

18 Aprily 2019

Sokajy : Eritreritra mandalofananaranafiainanaFiaraha-moninaTanindrazanaTontolo iainana

Ajouter un commentaire
 

Date de dernière mise à jour : Jeu 10 oct 2019

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site